I. Ny fanatsarana ny toe-karena eto Madagasikara dia adidy lehibe izay tena ilaina mba hisian'ny fiovana maharitra eto amin'ny firenena. Raha atao an-tsary, ny ankamaroan'ny olana sedrain'ny firenena—na ara-politika izany, na ara-kolontsaina, na ara-tsosialy—dia mifamatotra amin'ny fahalemena sy ny fahapotehan'ny rafitra ara-toe-karena misy.
Ny fahantrana mitohy, ny tsy fitovian-jò, ny tsy fahatomombanana ara-tsakafo, ny olan'ny asa sy ny tsy fananana asa, ny olana ara-pananan-tany, ary ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, indrindra fa ny an'ny vehivavy sy ny ankizy, dia santionany ihany amin'ireo vokatra ratsy ateraky ny rafitra ara-toe-karena marefo. Toy izany koa, ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana, ny disadisa mifandraika amin'ny foko, ary ny karazana fanavakavahana dia mitombo noho ny tsy fahampian'ny loharanon-karena sy ny fomba fizaràna tsy ara-drariny azy ireny.
Noho izany, ny fanarenana sy ny fampandrosoana ny toe-karena dia tokony hapetraka ho laharam-pahamehana. Izany dia ahafahana manova ny fiainan'ny vahoaka, manamafy ny fitoniana sosialy, ary mampiroborobo ny fahamarinan-toerana ara-politika sy ara-kolontsaina eto amin'ny firenena.
Ny fanarenana sy ny tolona ho an'ny fampandrosoana ny toe-karena eto Madagasikara dia andraikitry ny tsirairay, ary tsy adidin'ny mpanao politika irery ihany. Mazava fa manana anjara toerana lehibe ny mpisehatra politika amin'ny fitantanana sy fandrafetana ny politika momba ny fampandrosoana, saingy ilaina ny fanekena fa mbola maro amin'izy ireo no tsy manana fahamatorana ara-politika sy ara-pitantanana ampy, izay mety hiteraka olana eo amin'ny fampiharana ny andraikitra napetraka aminy.
Anisan'ny fototry ny olan'ny fitantanana eto amintsika ny toe-javatra mampiseho fa maro amin'ireo mpanao politika no tsy mahaleo tena ara-toe-karena zany hoe tena mbola tsahirana ara-piainana sy ara-pivelomana. Izany no mahatonga azy ireo hiantehitra be loatra amin'ny sehatra politika ho toy ny lalam-pivelomana, izay indrisy, lasa manakana ny tena fisian'ny politika ifotony momba ny fampandrosoana. Matetika izy ireo no misafidy hanararaotra ny toerany mba hanatsarana ny toe-bolany manoka sy ny mba hamelomany ny ankohonany, ka lasa tsy miraharaha ny tombontsoa iombonan'ny firenena.
Ny vokatr'izany dia ny firongatry ny kolikoly sy ny fahapotehan'ny rafitra ara-toe-karena, satria ny rafitra politika dia mijanona ho fitaovana hitadiavana tombontsoa manokana fa tsy sehatra ho an'ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena. Raha te hisy fiovana maharitra dia tsy maintsy miova ny fomba fisaina: mila politika miorina amin'ny fahamarinana, fahatsorana, ary fandinihana lalina ny tombontsoan'ny firenena manontolo isika.
Mila mifoha ny Malagasy rehetra mba handray anjara amin'ny fanatsarana ny toe-karena sy hiantoka fa tsy ho lasa "politique business" intsony ny sehatra politika, fa tena ho fitaovana ho an'ny fampandrosoana marina sy lovain-jafy.
II. Ny 90% amin'ireo olana sy trangan-javatra tsy mety eto Madagasikara dia mifandray amin'ny olana ara-toekarena
Ny ankamaroan'ireo olana mianjady amin'ny fiarahamonina Malagasy dia miorina amin'ny tsy fahampiana ara-toekarena. Anisan'izany ny tsy fahafahana mandeha an-tsekoly, ny tsy fisian'ny loharanom-bola hanohizana fianarana ho an'ny tanora, ny tsy fahatomombanana ara-tsakafo, ny fahapotehan'ny kolontsaina, ny tsy fanajana ny zon'olombelona, ary ireo tranga mifandraika amin'ny tsy fandriampahalemana, toy ny halatra, ny fandrobana, ary ny herisetra. Ireo rehetra ireo dia vokatry ny fahantrana sy ny tsy fahampian'ny rafitra toekarena matanjaka.
Ny fahapotehan'ny toekarena dia misy fiantraikany lalina amin'ny fiainan'ny firenena. Miteraka fahapotehan'ny soatoavina Malagasy izany, mandrava ny hoavin'ny taranaka, manimba ny toe-tsaina, ary manokatra lalana ho amin'ny fitiavantena diso tafahoatra. Vokatry ny tsy fahampian'ny fahaizana sy ny firaisan-tsaina, dia mihabetsaka ny olona mamotika ny hafa ho fiarovana ny tombontsoany manokana.
Mampalahelo anefa fa ny sehatra politika izay heverina ho lakilen'ny famerenana ny toekarena dia mbola tsy matotra sy tsy mahomby araka ny tokony ho izy. Tsy vahaolana no entin’ny sehatra politika ho an’ny firenena fa lasa mamorona olana hafa indray, noho ny tsy fahafehezan’ireo mpisehatra politika ny fomba fampiasana ny fahefana ho amin’ny tombontsoan’ny daholobe.
Raha tsorina, dia mila miorina amin'ny firaisan-tsaina, ny fifankatiavana, ary ny fahatsiarovan-tena amin'ny maha-Malagasy isika ary ny fiarahan’ny rehetra manarina ny firenena tena ilaina. Mila esorina ny fanavakavahana sy ny fizarazarana, na mifototra amin’ny fiaviana, saranga, fari-pahaizana, finoana, na firehana ara-politika, ary tokony hifantoka amin’ny firaisankina sy ny tombontsoan'ny firenena. Ny firaisankina sy ny fifampitokisana eo amin'ny Malagasy rehetra no hahafahana manangana fiaraha-monina matanjaka sy toekarena miroborobo.
Tsy azo lavina fa manankarena i Madagasikara amin’ny harena voajanahary sy ny zava-boahary ananany, saingy ny tsy fahaiza-mitantana, indrindra eo amin'ny sehatra politika, no antony lehibe mahatonga ny fahantrana. Koa tsy maintsy omena lanja ny fahaiza-manao, ny fahitsiana, ary ny fandaminana ho amin’ny fampandrosoana maharitra. Raha tsy misy ny fifampitokisana sy ny fiaraha-mientana dia ho sarotra ny fanatanterahana izany.
Fehiny:
Tokony hiara-hiasa isika Malagasy rehetra, ka hanamafy ny fifankatiavana sy ny fifampitokisana. Ny fahombiazan’ny firenena dia miorina amin’ny fahaizana mampifandray ny herin’ny rehetra ho amin’ny fanarenana ny toekarena, ho tombontsoan’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy.
III. Ny Fiantraikan'ny Fahapotehana Ara-Toekarena: Fiankinan-doha sy Ny Fanamby Tsy Voaaro
Ny fahapotehana ara-toekarena dia mitarika voka-dratsy lalina izay mahasarotra ny fahaleovantenan'ny firenena. Na dia eo aza ny satan’i Madagasikara amin’ny maha-firenena mahaleotena azy, dia hita fa tsy mahaleo tena tanteraka isika eo amin'ny sehatra maro. Miankina amin’ny firenena hafa ny firenentsika, na amin’ny resaka sakafo, kolontsaina, rafi-pampianarana, rafi-pitantanana politika, tafika, fitaovam-piadiana, tontolo ara-barotra, ary ny sehatra maro hafa.
Midika izany fa misy endrika vaovao amin'ny fanjanahana, izay antsoina hoe néocolonialisme. Ity teny ity, dia avy amin'ny teny grika hoe "neo" izay midika hoe "vaovao", dia mamaritra fanjanahana amin'ny endriny vaovao. Io tranga io dia miseho rehefa tsy afaka mitantana ny loharanon-karenany ny firenena iray, ary lasa miankin-doha amin’ny firenena hafa mba hahafahan'ny rafi-piarahamonina sy toekarena mihetsika.
Ny antony fototra mahatonga izao trangan-javatra izao dia ny fahapotehan’ny toekarena eto an-toerana. Rehefa ianjadian'izany néocolonialisme izany ny firenena iray, dia tsy mahavita miaro ny sisin-taniny itsony izy, eny fa na dia ny habakabakany sy ny ranomasiny aza. Tsy voaaro ihany koa ny harena an-tanety sy ambanin’ny tany, ka lasa marefo manoloana ny fanararaotan’ny hery ivelany. Manimba ny kolontsaina izany, mampihena ny fahaiza-miaro tena, ary miteraka fahavoazana lalina eo amin’ny firenena iray manontolo.
Fehiny:
Ny fahapotehana ara-toekarena dia tsy manimba ny toekarena ihany fa misarika koa ny firenena ho amin’ny toe-javatra mampihena ny maha-izy azy. Noho izany, ilaina ny ezaka ifarimbonana sy fandinihana lalina mba hampandroso ny toekarena sy hiarovana ny fahaleovantenan’i Madagasikara amin'ny sehatra rehetra. Ny firosoana amin’ny fampiroboroboana ny rafi-pitantanana matanjaka sy ny fampiasana maharitra ny harena voajanahary dia fomba iray azo antoka hisorohana ny fahamafisan’ny fiankinan-doha sy ny endrika fanjanahana amin'ny endriny vaovao.
IV. Ny Ady Hanoherana Ny Néocolonialisme Amin'ny Alalan'ny Rafitra Néolibéralisme
Ny Néocolonialisme, na fanjanahana amin'ny endriny vaovao, dia rafitra iray izay ianteheran'ny fanjanahana ny lafiny ara-toekarena sy ny sehatra rehetra mifandray aminy. Manjaka amin'ny varotra, famokarana, fandriampahalemana, politika, sosialy, ary sehatra maro hafa ny mpanjanaka, ka mahatonga ny firenena maro, izay nivoaka tamin'ny fanjanahan-tany ara-tantara, mbola hitoetra ao anatin’ny geja vaovao.
Io rafitra io no antony mahatonga ny firenena maro ianjadian’ny olana politika sy sosialy mitohy, tsy fisian’ny famokarana tomombana, fahapotehan’ny indostria, ary tsy fahaleovantena tanteraka. Tetika manokana napetraky ny mpanjanaka izany, mba hanohizana ny fanararaotana ny harena sy ny tombontsoa ara-toekarena ao amin’ireo firenena voazanaka.
V. Tantaran'ny Rafitra Néocolonialisme
Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, rehefa nivoaka ny fanambarana ny fahaleovantena ho an’ny firenena andia-tany fahatelo, dia voarara ny fanjanahan-tany amin'ny endriny rehetra. Na izany aza, nitady fomba vaovao ny mpanjanaka mba hanohizana ankolaka ny geja napetrany. Ny tanjona fototra dia ny hifehezana ny harena voajanahary sy ny loharanom-pamokarana ao amin’ilay firenena, ary hanamafisana izany dia napetraka ny rafitra Néocolonialisme.
Anisan’ny firenena ianjadian'izany i Madagasikara ankehitriny . Mbola eo ambany fifehezan’ny hery vahiny ny toe-karena sy ny sehatra maro eto amin’ny firenena. Ankoatra izany, ny fananganana rafitra toy ny Gendarmerie dia nohamafisina mba hisian’ny fifandanjan-kery eo amin’ny firenena sy ireo mpanjanaka, ka ahafahan’ireo farany mampihatra ny fomba fanjanahana vaovao.
Néolibéralisme: Ny Vahaolana Hisorohana Ny Fanjanahana Vaovao
Ny Néolibéralisme, na fahaleovantena ara-toekarena amin'ny endriny vaovao, dia rafitra iray mifototra amin’ny fahalalahana ara-barotra sy ara-toekarena. Amin’ny alalan’ity rafitra ity, ny firenena dia manana fahafahana mivelatra eo amin’ny varotra sy ny fampandrosoana, ary afaka miala amin’ny fifehezana ataon’ny hery vahiny.
Firenen-dehibe maro, toy i Soisa sy Frantsa, no nampihatra ny Néolibéralisme mba hanoherana ny fanjanahana vaovao tao aminy. Na izany aza, ny fampiharana ity rafitra ity dia mitaky fandinihana lalina sy fanamboarana paikady mifanaraka amin’ny toe-draharaha manokana ao amin’ny firenena tsirairay. Tao Frantsa, ohatra, dia nampiharina ny Néolibéralisme tamin’ny fomba progressive, ka nahafahana niatrika ny fanamby ara-toekarena sy sosialy.
Raha isika Malagasy no hampihatra ny Néolibéralisme, dia ilaina ny fandrindrana mazava ny paikady sy ny fomba hanatanterahana izany. Tokony hojerena akaiky ny toe-karena, ny kolontsaina, ary ny fomba fiainana eto an-toerana mba hahazoana vokatra maharitra sy mifanaraka amin’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.
Fehiny:
Ny handresena ny Néocolonialisme dia mitaky fahaiza-mamorona, firaisankina, ary paikady mazava mifototra amin’ny Néolibéralisme. Ity rafitra ity dia afaka manome fahafahana ara-toekarena sy ara-barotra lehibe, mamelona ny indostria, ary miantoka ny fahaleovantenan’i Madagasikara amin’ny sehatra rehetra. Ny fanatanterahana izany dia tsy maintsy atao am-pitandremana sy amim-pahaizana, mba hampahomby ny fanovana ary hahazoana tombontsoa ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy.
Wir benötigen Ihre Zustimmung zum Laden der Übersetzungen
Wir nutzen einen Drittanbieter-Service, um den Inhalt der Website zu übersetzen, der möglicherweise Daten über Ihre Aktivitäten sammelt. Bitte überprüfen Sie die Details in der Datenschutzerklärung und akzeptieren Sie den Dienst, um die Übersetzungen zu sehen.