Andao hiaraka hanomana ny hoavy, hifanohana sy hifanampy...

Ny IDISM dia manana tanjona, ny hiaraka hanatratra tanjona, hiaraka hifanohana, hiaraka manorina, hiaraka hanohitra ny fahantràna sy ny tsy fisian'asa...

Ny IDISM dia 

...manana tanjona :

hiady amin'ny tsy fisian'asa, ny fahantràna, ny kerè. Manana tanjona ny hampivoatra ny maha-olona. Manana drafitr'asa hoentina hanohanana ny toe-karena, hiadiana amin'ny tsy fahalavorarian'ny ekonomian'ny isam-batan'olona. Mampivondrona ny tanora, mba hiaraka hikaroka, hifanohana, hifanampy ary hiaraka hanangana asa sy orin'asa. 

Ny IDISM dia 

mitory ny fitiavana ny maha MALAGASY 🇲🇬 amin'ny Malagasy rehetra...

Mahatsapa ny IDISM fa tsy afaka ny hanarina ny ekonomian-tsika miaraka isika, raha tsy miombona ho iray ao anatin'ny maha samy Malagasy. Izany indrindra no tena an'isany antompisian'i IDISM mba hitory ny fitiavana ny maha MALAGASY 🇲🇬  amin'ny Malagasy rehetra, manerana ny Nosy ka hatrany ampitan-dranomasina rehetra any. 

Satria ny IDISM dia miantso ny Malagasy 🇲🇬 rehetra,mba hifanampy, hifanohana, hiaraka hanangana asa sy orin'asa Malagasy, amin'ny alalan'ny fitoriana ny maha MALAGASY no ikambanana. Dia amin'izany miaraka mifanohana, miaraka manangana asa sy orin'asa dia miaraka mitantana sy miaraka mahomby. 

Tsimaintsy ampitovizina anefa ny fomba fijery, fomba fiasa ary tsimaintsy mametraka tanjona iraisana , efa manana lamina sy fampahalalàna momban'izay ny IDISM, fa raha liana te-hahafantatra bebekokoa ianao dia afaka manoratra mailaka mak'aty aminay...

Ny IDISM dia ...

manana tetik'asa maro, ary misokatra amin'ny fiaraha-miasa amin'ny rehetra

mahatsikaritra ny IDISM fa ny tena olana eto amin'ny firenena dia ny tsy fisian'asa, ary izany no lasa miteraka fahantràna sy kolikoly amin'ny karazany maro. Ny zavatra tsikaritra manaraka an'izany anefa dia toa tsy mba manana orin'asa matanjaka su tantanana eto Madagasikara loatra isika Malagasy, fa saika orin'asany vahiny avokoa ny orin'asa maventy rehetra izay misy. Isika Malagasy zany tsy mba misy ny mitrangana mba hanangana orin'asa maventy mba hifandanja ny hery, fa  lasa tsy misy hery mifaninana ny orin'asa vahiny ka lasa afaka manao izay tiany ho atao amin'ireo mpiasa madinika ao aminy. Tsarovy anefa ry Malagasy 🇲🇬 namako fa mpiray tanindrazana amintsika ihany koa ireo ampifilafilain'ny orin'asa vahiny ireo satria isika Malagasy tsy manana ary tsy mba hanangana. Tsy mankahala vahiny ny IDISM raha miteny an'izany, fa tombony hoantsika aza hoe mitombo ny ny mpampiasa vola eto amin-tsika, fa kosa te-hisintona ny sain-tsika fotsiny hoe andao havotana  miaraka ny ekonomian-tsika fa tena resy loatra..

"Torio hoan'ny Malagasy 🇲🇬 rehetra manerana ny Nosy, ka hatrany ampitan-dranomasina rehetra any, ny fitiavana ny maha MALAGASY 🇲🇬🖤🖤🖤🖤🖤"

izany adidy izany dia mamaritra ny antompisian'i IDISM...

Wir benötigen Ihre Zustimmung zum Laden der Übersetzungen

Wir nutzen einen Drittanbieter-Service, um den Inhalt der Website zu übersetzen, der möglicherweise Daten über Ihre Aktivitäten sammelt. Bitte überprüfen Sie die Details in der Datenschutzerklärung und akzeptieren Sie den Dienst, um die Übersetzungen zu sehen.