"Torio hoan'ny Malagasy 🇲🇬 rehetra manerana ny Nosy, ka hatrany ampitan-dranomasina rehetra any, ny fitiavana ny maha MALAGASY 🇲🇬

Ny IDISM dia ....

miantso ny Malagasy rehetra hiaraka hitia sy hanandratra ny maha MALAGASY , tsy amin'ny teny fotsiny, fa sady tanterahana amin'ny asa.

Ny IDISM dia tsy fikambanana fotsiny ihany fa sady fiaraha-monina anakiray.

Amin'ny maha fiaraha-monina iray ny IDISM izay, dia misy ny tanjona iraisana izay napetraka sady itovizana, iarahana tratrarina am-pirahalahiana sy am-pifampitokisana. Misy ihany koa ny fomba fijery sy ny fomba fiasa ampifanarahana mba hahafahana manatratra ireo tanjona ireo amin'ny fomba mahomby sy mirindra.

Amin'ny maha fiaraha-monina iray azy izay hatrany, dia misy rindran-damina iraisana sy rafitra ifampitondrana izay miantoka ny firindran'ny asa sy ny fifandraisana ato anatiny.

Ankoatra izany, ny IDISM dia sehatra lehibe sy vavahady iray, izay entina iainana sy ampiharana ny fitiavana ny maha MALAGASY. Raha misy olona te-hahalala bebe kokoa momba izany hoe "fitiavana ny maha MALAGASY" izany, dia raisina an-tanandroa ao amin'ny IDISM izay akaiky azy izy, ka omena fanazavana feno sy mazava araka ny tokony ho izy. Ireo fanazavana ireo, antsoina ihany koa hoe fampahalalana, dia mirakitra votoaty maro mahasoa sy feno fahat karana ho an'ny mpandray azy. Ato amin'ny IDISM, misy karazany dimy (5) ireo fampahalalana ireo, ary ampitaina maimaimpoana ho an'izay rehetra liana te-hahalala lalindalina kokoa.

Ny IDISM ihany koa dia sehatra lehibe ho an'ny Malagasy rehetra, izay mamela ny tsirairay haneho ny fitiavana ny maha MALAGASY sy ny fitiavana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fifankatiavana, ny fifanampiana, ary ny fifanohanan’ny samy Malagasy.

Na izany aza, tandremo fa ny fampiharana ny fitiavana ny maha MALAGASY dia tsy tokony hofaritana amin’ny alalan’ny hetsika ara-politika, na ny fiandrasana trangan-javatra mampikorontana eto amin’ny firenena. Tsy mila miandry fotoana manokana ny fitiavana ny maha MALAGASY; azo ampiharina izany isan’andro amin’ny fiainana andavanandro, amin’ny alalan’ny fitondran-tena mirindra sy fanajana ny soatoavina maha Malagasy antsika. Ny zo maha MALAGASY dia tokony ho tanterahina sy iainana amin’ny andavanandro, fa tsy ho zavatra atao indray miseho na indray mandeha monja fotsiny.

Manandratra ny maha MALAGASY ny IDISM 

Inona marina no maha MALAGASY 🇲🇬?
Ny maha-Malagasy dia voafaritra amin'ny lafin-javatra maro sarobidy: ny tanindrazana, ny fianakaviana, ny fitenin-dreny, ny kolontsaina, ny talenta, ary ny harena voajanahary eto Madagasikara. Ny firenena dia mandova sy mitahiry harena ara-kolotsaina sy ara-boajanahary miavaka, anisan'izany ny fahasamihafan'ny fiteny, ny karazana zavamaniry sy biby, ary ny tany marevaka.

Na izany aza, toa misy fihemorana eo amin'ny fitiavana sy ny fanoloran-tena ho an'ny tanindrazana. Indrisy, ny fiantraikan'ny tontolo politika eto Madagasikara no lasa anton'izany. Tsy isalasalana fa nisy fiantraikany lehibe tamin'ny fomba fijerin'ny Malagasy ireo karazana fihetsiketsehana politika teto amin'ny firenena. Raha tokony hisy fitiavana tanindrazana mifototra amin'ny fahalalana sy fanajana, dia lasa mifantoka amin'ny fanambarana ara-politika sy tolona no heverina ho fanehoana fitiavana firenena.

Mbola eo an-dalana amin'ny fahamatorana ara-politika ny firenentsika. Tsy mbola ampy ny fandalinana lalina sy ny fahatakarana ny zava-misy eto amin’ny firenena, ka mahatonga ny tontolo politika tsy hiasa tanteraka ho an'ny tombontsoam-bahoaka.
 

Ny andraikitry ny IDISM :
Ny IDISM dia fikambanana tsotra ahitana Malagasy avy eto an-toerana sy avy any ampitan-dranomasina any, izay tsy miditra mivantana na ankolaka amin'ny fampiharana politika eto Madagasikara. Na izany aza, mamakafaka sy mandinika ny tontolo politika izy, satria amin'ny maha olom-pirenena, tsy afaka misaraka tanteraka amin’izany isika rehetra. Tsara marihina anefa fa ny IDISM dia mifantoka amin’ny famakafakana ny tontolo politika fa tsy ny olona mpanao politika. Ireo zavatra roa ireo dia samy hafa tanteraka.
 

Antso ho an’ny firaisankina sy fandrosoana: 

Raha jerena ny ady amin’ny fahantrana sy ny tsy fisian’asa, dia ady iraisan’ny rehetra izany. Ny IDISM dia manao antso avo amin’ny mpiray tanindrazana rehetra mba hifanome tanana, hanamafy fiaraha-miasa ary hiaraka hanangana firenena mamiratra.
 

Ekô-nasionalisma no fotokevitry ny IDISM, izay mikendry ny fampandrosoana maharitra sy ny fanarenana ny firenena amin’ny alalan’ny firaisankina sy ny finiavana maharitra.

 

 

Miara-miasa hanavotra ny ekonomika ny IDISM ary hampihatra ny fitiavana ny maha MALAGASY 🇲🇬, tsy amin'ny teny fotsiny fa amin'ny ASA.

mahatsikaritra ny IDISM, fa azo antoka fa hatramin'ny 99,99% ny Malagasy dia hilaza tia an'i Madagasikara avokoa raha toa ka apetraka ny fanontaniana. Betsaka moa ireo izay mandefa '' selfie 🤳 '' erakin'ny tambazotran-tserasera milaza hoe : '' zah gasy; mirehareha aho fa gasy; tiako ny tanindrazako ; je suis fière d'être Malagasy sns... Ekena fa mety avy amin'ny fo tokoa isika no nanoratra an'izy ireny, kanefa raha mijanona ho teny fotsiny dia toin'ny fitiavana maty no azo hamaritana azy, fa ny tena fitiavana raha toa ka velona dia tanterahina amin'ny asa sy tokony ho azo iainana sy manome fahasambarana. Nefa maha gaga ihany hoe : fa naninona i Madagasikara no mbola toizao nefa isika be dia be ireo dia samy milaza fa tia azy avokoa? Noho ozany mila zavatta tokony fenoina ao fa tsy ampy fotsiny ny miteny. Mba alaivo sary antsaina hoe manan-janaka ianao, ary ny fitiavanao sy ny vadinao dia sitrahan'iny zanakao iny, dia jereo ny vokany fa afaka ny ho tafita lavitra iny zanakereo iny satria toloranareo mivady ny fitiavana avy aminareo. Dia jereonibMadagasikara, raha toa ka ny fitiavan-tsika rehetra izao marina no sitrahany? Dia ho toizao ve izy ? Ny zanaka ao antrano azo fitiavan'ny olon-droa ihany no tena sitrahany nefa efa afaka mahatafita lavitra azy izany, dia manahoana lavitra raha ny fitiavana avy amin'ny Malagasy rehetra ireo no tena mihàtra amin'i Madagasikara tokoa?....

Projet : ''AMPITOMBOY NY VOKATRA'' 

An'isany tetik'asa iray lehibe no natombokia tamin'ity taona 2024 ity ny hoe : AMPITOMBOY NY VOKATRA, ny tanjona dia ny hanitarana azy io manerana ny Madagasikara mba hitomboan'ny vokatra eto amintsika.

Projet '' AKOTRY'GASY ''

Nanokatra ny tetik'asa '' AKOTRY'GASY '' ihany koa ny IDISM tamin'ity taona 2024 ity, ankoatrireobtetik'asa madinidikika samy hafa dia misongadina manokana ohany koa 'y tetik'asa '' AKOTRY'GASY, satria an'izany tetik'asa lehibe, fa saingy mbola vao manomboka fotsiny. Ity tetik'asa '' Akotry'Gasy ity, dia 'atao ho mpanodina vokatra sy ihany koa ho lalambarotra hivarotana ny vokatra. 

Satria ny tanjon'i IDISM dia hiady amin'ny fahantràna sy ny tsy fisian'asa, fia izany no antony sady amokarana no sady manodina vokatra ary sady mivarotra ohany koa. 

Azonao atao ny mifandray amin'i IDISM mivantana ,naiza naiza misy anao :

Torio hoan'ny Malagasy rehetra, manerana ny Nosy, ka hatrany ampitan-dranomasina rehetra any, ny fitiavana ny maha MALAGASY 🇲🇬

Ny fisokafan'ny Birao

Ny Birao dia manana fotoana sy ora fisokafany sy ahafahany mandray, fa ny fifandraisana amin'ny alalan'ny Mailaka dia mety foana amin'ny fotoana rehetra 

  • Mo – Fr
    • 09:00 – 16:30
  • Samstag
    • 09:00 – 01:00
  • Sonntag
    • Geschlossen

Contactez-nous 

Ny siège général ny IDISM Madagasikara dia hitanao eto Mahazoarivo, Antananarivo 101, Madagasikara 

Dieses Feld ist obligatorisch

Die E-Mail-Adresse ist ungültig

Dieses Feld ist obligatorisch

Eny tompoko manaiky aho fa izaho no nandefa ireo mombamomba ahy ireo makany amin'i IDISM, ary matoky ny tompon'andraikitra ao aho fa tsy hizarazara na hanaparitaka ny mombamomba any amin'ny zavatra hafa tsy nazahoana alalana avy amiko izy ireo.*

Dieses Feld ist obligatorisch

* Kennzeichnet erforderliche Felder
Bei der Übermittlung Ihrer Nachricht ist ein Fehler aufgetreten. Bitte versuchen Sie es erneut.
Tompoko, mankasitraka anao tamin'ny nandefasanao ny hafatrao nakaty aminay, tsimaitsy hiverina tsy hoela izahay hamaly anao.

Wir benötigen Ihre Zustimmung zum Laden der Übersetzungen

Wir nutzen einen Drittanbieter-Service, um den Inhalt der Website zu übersetzen, der möglicherweise Daten über Ihre Aktivitäten sammelt. Bitte überprüfen Sie die Details in der Datenschutzerklärung und akzeptieren Sie den Dienst, um die Übersetzungen zu sehen.